Alahady 28 aprily, alahady faha-dimy amin'ny Paka nentanin'ny ELVIR

 

I mompera Nicolas no nitarika ny Sorona Masina notronin'ireo pretra tonga tao : mompera Barnabé, Théophile, Abel, Faly, Frésie, ary Joslin. Ny ELVIR kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Nisy ihany koa fiarahana niova rivotra kely teny amin'ny Villa Celimontana ho an'izay afaka, taorian'izany. Fombantsika malagasy manko ny manala fahanginana rehefa misy fahoriana ary tena nilain'i aumônier izay taorian'ireo fotoana lavabe nitazonana azy teny amin'ny hopitaly kanefa dia tanatin'izany indrindra no namoizany ny rainy ka tsy nahafahantsika naneho fiombonana taminy mivantana.

Misaotra antsika rehetra nahafoy io fotoana io satria sarobidy hatrany ny fotoana rehetra iarahana sy ifanohanana, na an-kafaliana na an-karatsiana.