Alahady 28/04/2024

 

Miarahaba antsika rehetra !

Môpera Nicolas no nitarika ny sorona masina ny alahady 28 avrily teo, notronin'ireo pretra tonga tao : môpera Barnabé, Théophile, Abel, Faly, Frésie, ary môpera Joslin izay sady nitendry ny zavamaneno ihany koa. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Francel niandraikitra ny raharahan'ny mpiserivy. Isaorana daholo isika nandray anjara tamin'ny fomba samihafa nentina nanatanteraka iny sorona masina iny, ary indrindra indrindra tonga niara-nivavaka. 

Anjaran'ny "Ekipa solida" indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin'ny 5 mai 2024 izao, alahady faha-6 fankalazana ny Paka (B). Anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" kosa ny mitady fotoana hahafahan'izy ireo mandio ny fiangonantsika (San Macuto) amin'ity volana mai ity.

Momba ny GMB24 (izay efa nampitaina tao amin'ny whatsApp Ankohonana Rasoamanarivo ) : efa nalefa any amin'ny mpikarakara araka ny nangatahin'izy ireo ny "scheda" milazalaza ny isa. Ankizy 10 no nosoratana any ary "accompagnatori" 6. Isa ihany no nilaina maika fa ny fiomanana isan-karazany dia mbola hiantso antsika hatrany ny mpikarakara. Ny hiezahantsika manomboka amin'izao izany dia hanomana ireo ankizy 10 ireo (sy ny accompagnatori koa) ka tsara mampahafantatra ny Prezidan'ny Ankohonana Rasoamanarivo (Hanitra) na ny aumônier izay Ray aman-dReny vonona handroso ny zanany amin'izany. Marihina moa fa maromaro ny hetsika ny 25 sy 26 mai 2024, fa ny lamesa lehibe eo amin'ny Piazza San Pietro amin'ny 26 mai no handraisantsika anjara mivantana ka hanomanana an'ireto ankizy ireto.

Ireto misy daty vitsivitsy ampahafantarina na ampahatsiahivina antsika :

Alahady 5 mai 2024 : aorian'ny lamesa ao San Macuto Bellarmino dia hisy "chocolat chaud" ; hisy fihaonan'ny mpikarakara ao amin'ny FFKM - Roma (miaraka amin ireo Fiangonana rahavavy) kosa ny tolakandro, izay hatao ao an-toerana ihany. Amin'io andro io kosa ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" dia hihaona any amin'ny Parrocchia Santa Maria Causa Nostrae Laetitiae, Piazza Siderea 1, 00133 Roma.

Alahady 12 mai 2024 : Toy ny alahady mahazatra antsika dia ao San Macuto Bellarmino ny lamesa, anjaran'ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" ny litorjia.  Amin'io andro io ihany koa, ho antsika izay afaka, dia ho tonga any Aprilia ny "Gruppo malgascio della Cappellania di Parigi", ka hisy lamesa sy hetsika koltoraly any an-toerana. 

Sabotsy 18 mai 2024 : Fanamasinana ho diakra an'i Fra Fabrice (Salesianina) any Messina, araka ny invitation efa nalefa ao amin'ny whatsApp Ankohonana Rasoamanarivo. Manasa antsika ho tonga na hiombom-bavaka aminy amin'io daty io. 

Alahady 2 jiona 2024 : Toy ny alahady mahazatra dia ao amin'ny Chiesa San Macuto Bellarmino ny lamesa. Amin'io andro io ihany koa dia hanao hetsika ho fanomanana ny faha-25 taonan'ny diosezin'izy ireo ny zanaky ny diosezin'Ambositra eny amin dry maseran'ny Trinité de Rome, Madonna del Riposo. Manasa antsika izay afaka amin'io izy ireo, indrindra ny zanaky ny diosezin'Ambositra.

Sabotsy 29 jiona 2024 : amin’ny 4:30 tolakandro misy voady farany any amin -dry maseran’ny Trinité de Rome - Madonna del Riposo izay anasana antsika. Nangataka fiaraha-miasa amin’ny resaka litorjia ry masera ka hisy solontenan’ny Ankohonana handray anjara mivantana amin’izany.

Izay ary aloha ny vaovaontsika. 
Mirary soa antsika rehetra

P. Pascal S.I.