Alahady 8 oktobra, nankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo

 

Ny andron'ny 21 aogositra moa no fankalazan'ny Fiangonana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, izay mpiahy ny Ankohonana katolika eto Roma. Saingy maro ny tsy teto an-tanàna tamin'io volana aogositra io noho ny fialan-tsasatra ka ny alahady 8 oktobra 2023 no nankalazana izany.

I mgr Jean Pascal, evekan'Antsirabe, no nitarika ny Sorona Masina izay niarahany natolotra tamin'i mgr Donatien evekan' Ambanja sy ireo pretra maromaro avy eto Roma sy ny manodidina. 

Fiaraha-misakafon'ny mpianakavy sy korana no nanohizana ny fotoana taorian'izay.