Sata sy firafitry ny Ankohonana

Ny “Aumonerie”, tahaka ireo avy amin’ny firenen-kafa maro dia mitombo isa isika malagasy mandrato fianarana sy mila ravin’ahitra na manatontosa iraka isan-karazany aty Italie. Maro koa ireo nanorin-tokatrano miaraka amin’ny tera-tany aty. Efa hatrany am-piandohana mihitsy no narahin’ny Fiangonana akaiky ny toe-javatra toy itony, raha jerena ny tantara ka nikarakarany manokana an’ireo tsy an-tanindrazany noho ny antony samihafa. Marihina fa amporisihiny ny firotsahana eo amin’ny Fiangonana ao amin’izay toerana misy, fa ankatoaviny koa ny fijoroan’ny “ankohonana” araka ny fiaviana sy ny fomba (rite) mahazatra ny tsirairay. Dia izay no antsoina hoe “Aumonerie”. 

Tsodrano avy amin’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara no hahafahany mijoro, miaraka amin’ny fankatoavan’ny Evekan’ny Diosezy na ny Fivondronamben’ny Evekan’izay firenena misy azy, dia Roma izany ho antsika.

Alaivo eto ny sata manontolo