Misaotra ny fikambanan-drelijiozy "Società del Verbo Divino" etsy Ostiense nampiantrano antsika omaly alahady 11 febroary ka nahafahantsika nanatontosa ny Vokatra fanaontsika isan-taona izay natombontsika tamin'ny Sorona Masina notarihan'i aumônier niaraka tamin'ireo pretrantsika vitsivitsy. Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanomana sy nanentana ny litorjia.
Misaotra antsika rehetra tamin'ny fandraisana anjara mavitrika na tamin'ny fitondrana vokatra na solom-bokatra, na tamin'ny fanjifana ihany koa, ho fanasoavana ny Ankohonana.















































































