I mompera Eugène no nitarika ny Sorona Masina. Nanotrona azy ry mompera Faly, Fulgence, Barnabé, Laurent, ... ary i aumônier. Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanomana sy nanentana ny litorjia.
Taorian'ny Sorona Masina dia nanolotra fiaraha-miala hetaheta i Hasina sy Dina satria androany vao mandalo eto Roma ka noraisina tato amin'ny Ankohonana i Dina taorian'ny fanambadian'izy ireo izay natao tany Madagasikara efa volana vitsivitsy lasa.


























































































