Alahady 15 jona, niarahantsika tamin'ireo Evekantsika marobe, am-pivahiniana masina eto Roma

 

Isan'ny Mpivahin'ny Fanantenana tonga eto Roma ihany koa ireo evekantsika ka niara-nanolotra ny Sorona Masina tamin'ny Ankohonana izy ireo ny alahady 15 jona. Notarihin'i kardinaly Désiré Tsarahazana izany ary ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia.