Sorona Masina tamin'ny nananana farany an'i masera Naba, ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny

 

Tamin'ny fo feno alahelo no nandraisana ny vaovao nampilaza fa nantsoin'ny Ray nody any aminy i masera Naba ao amin'ny Fikambanan-dr'i maseran'i Masindahy Joany Battista, ny sabotsy 27 septambra 2025 lasa teo.
Ankoatra antsika ato anatin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo, ankoatran'ny Fikambanan'ny Zanaky ny Diosezin'Ambanja izay misy azy, dia maro tokoa isika Malagasy eto Roma sy any amin'ny faritany no mahalala azy sy iny tsikitsikiny iny. 

Ny alarobia 1 oktobra no nanolorana ny Sorona Masina ho fialan-tsasatry ny Fanahiny mialoha ny nanaterana azy teny amin'ny fasan-drizareo masera "Battistini" eny Prima Porta.

Soava dia, rahavavy crying

Handray anao ho eo anilany anie Ilay Ray nanoloranao tena nandritra ny 25 taona, notompoinao nandritra ny an-tsasam-piainanao teo anivon'ny fikambanan'ny maseran'i masindahy Joany Batista misy anao.
Mandria am-piadanana.