Ny 4 sy 5 oktobra no nankalazana ny Jobilin'ny Mpifindra monina ka ny sabotsy 4 oktobra no nanantanteraka ny Fidirana ny Porta Santa isika Ankohonana Mpivahin'ny Fanantenana.
Ny alahady 5 oktobra dia nisy ny Sorona Masina notarihan'ny Papa Ray Masina, teny amin'ny kianjan'i Md Piera ary ny tolakandro dia nisy ireo fampisehoana vakodrazana isaky ny eglizy mivondrona ao amin'ny diosezin'i Roma, tao amin'ny zaridainan'ny Castel Sant'Angelo.