Tantaran'ny Ekar Malagasy eto Roma

Mety misy tokoa amintsika no liana sy te hahafantatra bebe kokoa ny mikasika ny Ankohonana Katolika Malagasy eto Roma sy Italia.

Natao izao lahatsoratra izao mba ho fandalinana izany sy hampahafantarana bebe kokoa ny adidy iantsoriahan’nyAumônerie na Cappellania ivondronan’ireo Kristianina Malagasy aty an-toerana.

Marihina etoana fa ny rafitra napetrak’Itompokolahy Mômpera Paul Louis sj, niaraka tamin’i Mômpera Rakoto Patrick, ihany no nezahinay ny mba tsy hirodanany, ary tsy nahavita ny vitany, raha ny tenanay mpisolo vonjimaika, izay mpianatra ihany.

 

1. Ny niandohany

Tany amin’ny taona 1960 no efa nisy ireo pretra sy relijiozy ary lahika malagasy nianatra sy niasa teto Roma. Araka ny fitantaran’ireo vahiny sy malagasy niaina tamin’izany no nahalalana fa nahasarika ny italianina sy vahiny maro ny fomba amam-panao ary ny firaisankin’ireo Malagasy.

Taorian’ny Konsily Vatikana II no nihamaro ireo tanora mpianatra sy mpiasa taty Italia, ka tany amin’ny taona 1970-1980 dia tsy nitsaha-nitombo izany, ary fanon’izy ireo ny manao zaika kely miaraka amin’ny mpiasan’ny masoivoho  hatry ny ela, mankalaza ireo fety iombonana amin’ny any Madagasikara.

 

2. Ny Fivoarany

Ny tahiry voarakitra sy mipetraka, no nahalalana ny fisian’ny fihaonana isam-bolana fanaon’ireo pretra sy relijiozy, fototra niaingana sy niandohan’ny Ankohonana Katolika Malagasy eto Roma sy Italia.

Ny alahady 20 febroary 1994 ny fihaonana tamin’ny fomba miavaka voalohany nivondronan’ny relijiozy sy pretra, ary tsy tapaka namonjy koa ireo lahika, ka samy nanana ny fivoriany mialohan’ny Sorona Masina, arahin’ny fiaraha-misakafo. Nipoitra teto koa ny fihaonana ekomenika eto Italia (FFKM Italia).

Ny 28 janoary 2001: lasa Fikambanan’ny Katôlika Malagasy ny Fikambanan’ny pretra sy relijiozy teo aloha, lasa Ankohonana Katôlika Malagasy: ny fiangavian’ireo lahika sy ny fahatsapana ny ilana ny fiahiana ireo mpifindra monina malagasy, no tena antony. Ny fanampiana azy ireo mba ho tafiditra miandalana amin’ny tontolom-piainana aty Italia no isan’ny zava-kinendry.

Fantatr’izy ireo fa nahasarika ireo Evaka avy aty Madagasikara mpandalo aty Roma ny zava-misy, ka ny alahady 25 marsa 2003 no namboraka ny heviny tamin’ny Kardinaly Razafindratandra Armand Gaëtan ny Komity, notarihin’i RP Rakoto Patrick, mpialoha làlana sy mpamaky lay. Ny volana septambre 2005 no tapa-kevitra ireo Evekantsika (CEM) fa haniraka olona hiahy ireo Malagasy aty Roma sy Italia, toy ny ao Parisy sy Lafrantsa.

Ny 21 septambre 2006 àry no naneken’ny Filakevitra maharitry ny Eveka eto Italia (CEI) ny fanendrena an’i RP Paul Louis Rafanomezantsoa, sj, ho Coordinateur Nasiônaly hiahy ny pastôraly ho an’ny Malagasy, ny Filohan’ny CEI no nanendry azy. Napetraky ny Vicariat ho Aumônier voalohany eto Roma kosa izy ny volana ôktôbra 2006. Nefa nodimandry sahady ny 01 septambre 2007, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany maraina, tao Reggio Emilia, isan’ny faritra tena nahazatra azy tokoa.

Voatery nandray vonjimaika ny raharaha i P. Rabenirina Joseph, fa nametrahany ny fitaovana sy ny fanalahidiny. Araka ny praogramany mantsy dia aorian’ny 09 septambre 2007 izy vao tafaverina, ka niangavy azy izy mba hanao ny Sorona Masina amin’io andro io. Nanome tanana tamin’izany koa i P. Randriamijhaja Gustave. Navesatra ny fahoriana nihatra, nefa ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra mahavita raha maro. Nanomboka teto moa ny Filohan’ny Faritr’i Madagasikara dia niangavy mba hanohizana ny raharaha manadram-panapa-kevitra amin’izay tena vaholana maharitra any aoriana. Indroa misesy no nanamafisina izany iraka izany.

 

3. Ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana Italianina

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fiangonana roa tonta hatry ny ela no nampitombo ny fifaneraserana misy eo amin’ny Malagasy sy Italianina, ary tsy azo ihodivirana ny fifandraisana amin’ny ao Vatikana. I Mgr Xavier Thoyer no nanafatra  ireo misiônera zezoita Sisilianina voalohany, niasa tao Fianarantsoa sy Ambositra, ary ny 17 ôktôbra 1948 no niondrana ho aty Madagasikara ny andiany voalohany, ny faharoa kosa dia ny taona manaraka.

Tsy azo atao tsirambina ny fiahiana ny mpifindra monina sy ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana Italianina, fa efa manana sori-dàlana mazava sy fitsipika mati-paika ny CEI, momba ireo ankohonan’ny vahiny eto Italia sy ireo ankohonana na Fiangonana italianina maro any ivelan’Italia. Eo aloha ny fiahiana ara-panahy sy ny fanabeazana ary ny fankaherezana ireo mpifindra monina. Fa eo koa ny mety ho fiahiana ara-pitaovana sy fahasalamana amin’ny fotoana tsy ampoizina sy mety hilàna izany. Toy izany koa ny fanamaivanana ny fahoriam-panahy ary saina amam-batana, mpahazo ny mpifindra monina, izay matetika no mizaka sy misedra olanana maro.

Manan-danja ny fikolololoana ny fitondran-tena sy fanamafisana ny teny italianina, ary ny tenin-drazana izay tokony hotanana sy hampitaina amin’ireo taranaka na dia aty an-tany lavitra aty aza. Farany, eo ny fiarovan’ny Fiangonana italianina ny fomba amam-panao nolovain’ireo mpifindra monina tamin’ny razany avy. Mampanankarena ny fiaraha-monina sy ny fiainam-piangonana izany, hoy izy ireo, sady matetika no averimberiny aminay vahiny io hevitra io.

 

4. Ny andraikitry ny Mpandrindra Nasiônaly

Tendren’ny CEI hiasa telo taona aloha ny Mpandrindra (Coordinateur) Nasiônaly vaovao, ary azo havaozina in-telo na dimy taona indroa. Miatrika ny fivoriana isam-bolana miaraka amin’ireo Coordinateurs namany (CEI) izy. Izy koa no mandamina ny pastôraly ankapobeny ho an’ireo olona iray fiteny sy fomba ary fiaviana aminy, anjarany ny manao ny tatitra any amin’ny CEM sy CEI, isan-taona ahay, andraikitra tandrify azy koa ny mampifandray ny Fivondronamben’ny Eveka roatonta, fa toy ny tetezana izy.

Tokony hampahafantarin’ireo Eveka sy Fikambanana any amin’ny tany niahaviany (Madagasikara) an’azy, ireo pretra sy relijiozy alefa hianatra na hamita iraka any amin’ny tany asaina hiandraiketany (Italia), mba hisorohana ny olana tsy ampoizina mety hitranga. Toy ny ray aman-dreny miahy ny zanany izy, mifandriaka sy tsy misaraka amin’ny asan’ny masoivoho ny famitana ny ampahan’asany, araka ny traikefa.

Izy no maniraka ireo pretra hanao ny Sorona Masina any amin’ny toerana samihafa misy ny vondron’olona na ankohonana malagasy te-hiara-mivavaka (isam-bolana na isan-droavolana). Miezaka mitsidika sy mamangivangy azy ireny izy. Miahy sy mihevitra, ankolaka na mivantana, an’ireo tratr’orana aty an-tanin’olona aty. Ao koa ny olana mety ho entin’ny olona na ny masoivoho eo aminy.

Tsy afaka hiatrik’izany samirery anefa izy, fa eo ireo Fikambanana isakarazany na vondron’olona afaka manampy azy, ny amin’ny fitadiavana vahaolana isakarazany. Koa tsy maintsy mifandray amin’ireo Fiangonana any ifotony izy (Diôsezy, Régions na Arsidiôsezy) izay ahitana ireo Directeurs diôsezianina sy ireo Talen’ny Faritra, mpiahy ny mpifindra monina, eo anivon’ny Caritas. Hiova anefa ny rafitra atsy ho atsy fa hanana ny satany manokana ny Migrantes, ka hosarahina samy hahaleo tena ny Caritas-Migrantes. Ny sonian’ny Filohan’ny Repoblika italianina no sisa andrasana, satria miankina aminy ny fankatoavana ny Fondations isakarazany, mba ho ara-dalàna eo anoloan’ny Fanjakana izy ireny.

 

5. Ny andraikitr’ireo Lahika

Adidin’ny Lahika ny manohana ireo pretra amin’ny fanatanterahany ny asany. Eo aloha ny fanomezan-tanana amin’ny asa isakarazany ataon’ny Ankohonana, fa eo koa ny serasera, ny fampitam-baovao, ny fanatontosàna ny Litorjia sy fanofanana ny kristianina. Adidiny ny mivavaka isan’andro any an-tokatranony avy, manohana am-bavaka ireo olona natokana ho mpiandry azy ireo. Takina amin’izy ireo ny fifanampiana sy ny fanamafisana orina ny firaisan-kina ao anaty fihavanana, tsy misy fihatsarambelatsihy, ny fanohanana ara-pitaovana sy ara-bola ary fanaovany an’izany ho an’ny voninahitry ny Tompo, fa tsy izay hahafaly ny hafa akory sanatria no kendrena amin’izany.

Andraikitr’ireo Lahika voafidy ho mpikambana ao anatin’ny Komity sy Vaomiera isakarazany kosa ny mitondra ny hevitry ny kristianina, ny manome sy mamolavola hevitra manokana hanatsarana tsy tapaka ny fiainam-piankohonana, ato amin’ny Fiangonana. Ireo izay ao amin’ny fikambanana masina moa dia manana adidy ho fanoitra hanatevin-daharana amin’ny asa fitoriana isakarazany ary ny asa fiantrana kristianina.

 

6. Ny adidin’ny Aumônier (diôsezy)

Tendren’ny eveka eo amin’ny diôsezy hiasa telo na dimy taona izy, ary azo havaozina hatrany, arakaraka ny fiovan-dalàna.

Mandray ireo kristianina, zanak’Andriamanitra, nankinina taminy izy, ho mpiray dia mahatoky ho azy ireo, hiara-mizotra ho any amin’Andriamanitra. Koa adidy tena lehibe miandry ny Aumônier ny mivavaka isan’andro ho an’ireo andian’ondrin’ny Tompo, manolotra ny Sorona Masina sy ny ainy ho an’ny Ankohonana kristianina karakarainy, raka ny fifandaminana efa mipetraka na ny zava-mitranga tampoka.

Ankoatr’ireo ny fihainoana sy fandraisana ny olona, amin’ny fizaràna ny Sakramentan’ny Fampihavanana sy fitantanana ara-panahy ny kristianina. Misy koa ny fanomanana sy fizaràna ny Sakramenta, ny fanaovana tatitra isakarazany araka izay ilaina sy takîna, mifandraika amin’ny lalàna sy ny fitsipika mifehy ny Fiangonana eo an-toerana.

Asany koa ny miatrika ny fivorian’ny Pretran’ny diôsezy (isam-bolana) sy ny fivorian’ny Kômity isam-bolana, ny fanomezana fihatahana masina na fitadiavana olona hanao izany, ny fiahiana ny fikambanana masina (izay efa nisy teo aloha no notohizana hatreto), ny fanaraha-maso akaiky ny fampianarana katesizy sy ny fanatanterahan’ny tsirairay ny andriaikiny.

 

7. Ny fiaraha-miasa amin’ny EKAR any ivelany

Tsy vitsy ireo Ankohonana vahiny eto Italia no miara-miasa amin’ireo Fiangonana (ekar) niaviany. Maro ny asa azo ifarimbonana: toy ny hevitra mety ifanakalozana, ny fiofanana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany, fanirahana olona indrindray hanao izany, fandefasana iraka any an-Tanindrazana (mitondra fanampiana na mamory vinavianan’asa izay mety hitadiavana fanampiana avy aty ivelany), fanangonana “hataka Sorona Masina” (Intentios de Messe) ho an’ireo pretra sahirana (ohatra ny any an-Tanindrazana).

Ireo Fiangonana italianina any ivelany moa dia efa zatra an’izany, ka ao ireo any Etazonia, Almagna sy Frantsa, Belzika sy Angletera ary Australia. Maro ireo Ankohonana katolika italianina any amin’ireo tany ireo no manohana ny CEI na ny diôsezy niaviany, ary tonga isan-taona mitondra fanohanana ny Fiangonana italianina.

Manana adidy àry ireo Ankohonana aty ivelany, hifarimbona amin’ny Eglizy any an-toerana (Madagasikara) na ny amin’ny fankalazàna ireo fety isakarazany na ny amin’ny fifanampiana samihafa tokony hifarimbonana.

 

8. Ny fifandraisana sy fiombonan’antoka amin’ny fanirahana

Tsy afaka handeha irery moa ny Ankohonana kristianina ivondronan’ireo Malagasy aty ivelany ka mila ny fifanomezan-tanana eo amin’ny fifandaminana atao. Ny CEM no tompon’ny teny voalohany amin’ny fanolorana ireo pretra, ho mpiandraikitra isakarazany. Ny Mpandrindra (Coordinateur) Nasiônaly kosa na ny CEM efa nifanaraka taminy, no manolotra izany amin’ny CEI na ny Eveka diôsezianina, ary ny CEI na ny eveka any amin’ny diôsezy no mametraka ilay olona sy tompon’ny teny farany, ny amin’izany.

Adidy lehibe miandry ny rehetra ny fahaiza-mandamina ny drafitra hitantanana ny Ankohonana sy ny fanatanterahana ny iraka ho an’ny “fitoriana vaovao ny Evanjely”.

 

9. Fivelaran’ny asa fanirahana amin’ny endriny vaovao

Mivelatra amin’ny sehatra maro samihafa ny “fitoriana vaovao ny Evanjely” sy ny “fampanjariana ny fomba ho zary kristianina”: eo aloha ny fampitana mitohy sy tsy misy tomìka ny paipaidafika raketin’ny Lovantsofina ifandovàna ao amin’ny Fiangonana, fa eo koa ny Litorjia, Asa fiantrana, Ekomenisma, Fifindramonina, Serasera isakarazany.

Io resaka fifindra-monina io no isan’ny antoky ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly hatrany am-piandohana, fa i Jesoa mihitsy no nitety vohitra sy tanàna maro, ireo apôstôly sy ny mpino tany ampiandohana kosa samy niparitaka hatrany Erôpa Atsinanana sy Atsimo, Afrika Avaratra ary Azia Andrefana. Nanova zavatra be teo amin’ny fiainan’ny mpino izany, nampivoatra raha maro, toy ny tekinika sy ny serasera.

Iraka vaovao ho an’ny Fiangonana ankehitriny ny fandefasana misiônera avy aty amin’ny tany vao ho any amin’ireo tany tranainy, efa nitoriana ela ny Evanjely, nefa mihavitsy mpivavaka. Manana adidy lehibe hanome ohatra ho an’ireo mponina any amin’ireny tany ireny ireo Lahika mpiavy sy vahiny tonga any.

Isan’ny voaantso amin’izany ireo Malagasy, fa mahasarika ny maro tokoa ny Litorjiantsika. Malefadefaka sy mirindra ary mamohafoha ny finoana ny hira. Tsy mitovy amin’ny fomban’ireo mponina atsy amin’ny Tanibe (Afrika) izay mihietsiketsika bebe kokoa. Tsy mampatory toy ny fahita any amin’ireo tany Tandrefana, eto dia tsapa fa tsy lavitry ny Tatsinana isika, saingy mivaka tanteraka, satria manaraka ny fomba latinina. Iraka tandrify ny kristianina malagasy àry ny fanatsarana tsy mivaona sy tsy misy tomìka ny Litorjia latinina efa iainany, mba hanampy ireo mpino hafa firenena ifandraisany sy ifaneraserany hivelatra ao amin’ny finoana mampiombona.

 

10. Jery todika, jery atrika, jery banjina: fiatrehana ny ho avy

Eto am-pamaranana dia tsara ny mampahatsiahy fa ny traikefan’ny teo aloha no iezahantsika ankehitriny iainana. Mitaky fihavaozana tsy tapaka anefa izany. Koa tsapa àry fa mila fahafoizan’olona, hirahina manokana tokoa, ny asa fiahiana ireo mpifindra monina na eo an-teorana izany na ivelan’ny Tanindrazana. Nitondra fiovàna teo amin’ny fiainam-piarahamonina hatrany mantsy ny fisian’ireo mpiavy amina toerana iray, satria tsy vitan’ny hoe mampanakarena ny fomba fotsiny, fa mampatanjaka sy mampiova ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ilay tanàna mampiatrano sy tany mampandroso azy ireo. Mety hiteraka olana anefa izany ka ho fisorohana ny fihemorana amin’ny lafiny maro no ilana ny olona ati-panahy afaka miahy sy mikarakara azy ireny.

Mitondra fivoarana sy fihavaozana ho an’ny tany niavian’ireo mpifindra monina koa anefa ny fiverenan’izy ireo matetika any an-Tanindrazany sy ny fifandraisany tsy tapaka amin’ny fianakaviany, ireo olom-patany, mpiara-miasa taminy. Endrika ivelaran’ny maha-olona sy ny fiainana kristianina avokoa izany rehetra izany. Koa alao hery àry fa tsy misy mafy tsy laitry ny zoto.

Roma, 04 febroary 2012

Rabenirina Joseph

(Aumônier eto Roma sady Coordinateur National eto Italia)