Vaovaompiangonana

Faly miarahaba antsika rehetra indray ! Môpera Daudet no nitarika ny sorona masina ny 21 aprily lasa teo, alahady faha-4 amin'ny Paka (B), notronin-dry môpera Joslin, Faly. Niandraikitra ny raharahan'ny mpiservy i Francel ; ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i Fr Sylvain teo amin'ny fitendrena ny zavamaneno. Isaorana daholo isika rehetra tamin'ny fandraisantsikia anjara...(tohiny)
Mômpera Frésie no nitarika ny Sorona Masina, notronin'i mômpera isany : Barnabé sy Étienne. Ny fiombonan'ny pretra sy ny relijiozy no nanentana ny litorjia. Mr Hervé no nitendry ny vatamaroafitsoka. Francel no mpiservy. Samy tolorana ny fisaorana isika rehetra. Nisy moa ny "chocolat chaud" taorian'ny lamesa izay nahafahan'ny rehetra nitafatafa tanaty filaminana ka ankasitrahana isika rehetra...(tohiny)
Alahady faharoan'ny Paka no nankalazaina. Nitarika ny lamesa i mompera Joslin, notronin'i mompera Faly. Francel no "servant de messe" ary Hervé no teo amin'ny zava-maneno. Ny Ekipa sôlida no nanentana ny litorjia. Tolorana fisaorana isika rehetra tonga tao. Ny litorjia amin'ny alahady 14 avril dia an'ny relijiozy. Any anatin'ny tetiandro any dia voalaza fa hisy "chocolat chaud" isika amin'io...(tohiny)
Fisaorana sy fankatelemana no atolotra ireo pretra rehetra nifandimby nanao ny lamesa sy nanotrona izany nandritra ny herinandro masina sy ny Paka. Ankasitrahana ireo rehetra nandray anjara tamin'ny feo sy ny fihetsika rehetra nanatontosana izany (ny relijiozy sy ny lahika tsy ankanavaka tonga tao). Hisaorana ianareo fikambanana tsirairay nanomana sy nifandimby nanatontosa ny litorjia. Tsy ho...(tohiny)
Faly miarahaba ny rehetra indray, ny alahadin'ny Sampankazo teo dia i mompera Barnabé no nitarika ny Sorona Masina notronin'i mômpera isany : Nicolas sy Joslin (izay sady nitendry ny vatamaroafitsoka). Ny Elvir no nanao ny fanentanana ny litorjia sy nanatontosa ny fanadiovana ny fiangonana tamin'ity volana mars ity. Tsy dia vitsy loatra ny mpivavaka na dia maromaro aza ireo namonjy ny sampankazo...(tohiny)
Misaotra antsika tonga marobe niara-nankalaza ny alahady faha-5 amin'ny karemy na dia teo aza ny fahasarotan'ny fahatongavana tao amin'ny fiangonantsika nohon'ny fisian'ny "marathon" ● Tonga nitsidika ny ankohonana malagasy moa ' i P.Jocelyn, provincial n'ny fikambanan'ny Jesuites ka izy no nitarika ny sorona masina, notronin'i mômpera isany: Barnabé, Faly, Frezy, Nicolas ary i Joslin izay sady...(tohiny)
Alahady nanaovana ny récollection notarihin'i mompera Joslin ny alahady 10 martsa teo. Mompera Mamy no nitarika ny lamesa notronin-dr'i mompera Joslin, Étienne, Tojo, Claudy, ary ny diakra Olivier. Ny fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanao ny fanentanana ary Hervé no nitendry ny zavamaneno. Ry zareo tao amin'ny mpanolotsaina no nanomana ny vavaka natao nandritra ny Làlan'ny Hazo Fijaliana ary...(tohiny)
Ny alahady 3 martsa teo dia i mômpera Jocelin no nitarika ny sorona masina ary i mompera Barnabé sy mompera Faly no nanotrona azy. Francel no nanao ni-servy ary i Hervé no nitendry ny vatamaroafitsoka. Ny ekipa sôlida no nanentana ny litorjia sy nikarakara ny "chocolat chaud". Mihatsara hatrany ny fotoanan'ny "chocolat chaud" satria tsy nijanona tamin'ny chocolat fotsiny fa nisy tsakotsako miaro...(tohiny)
Mompera Faly no nitarika ny Sorona Masina ny alahady lasa teo, notronon'i P. Barnabé sy P. Jocelin ary i P. Nicolas. Alahady faharoa amin'ny karemy no nankalazaina . Misaotra ny ELVIR nanentana ny litorjia. Ankasitrahana i mompera Jocelin teo amin'ny fitendrena ny vatamaroafitsoka. Ankasitrahana isika rehetra tonga tamin'io Sorona Masina io. Anjaran'ny Ekipa Solida indray no hanentana ny litorjia...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra, ndrindra am'izao fanombohan'ny karemy izao. Nankalaza ny androan'ny vokatra ny Ankohonana tamin'ny Alahady 11 fevroary. Natomboka tamin'ny sorona masina ny fotoana. Tany amin'ny Casa generalizia n-dry zareo SVD, via dei Verbiti 1 (zona Ostiensa). Môpera Pascal no nitarika ny sorona masina. Niaraka tamin'dry môpera isany : Taorian'ny sorona masina dia samy namonjy ny "...(tohiny)
Miarahaba antsika indray amin’ny alalan’ity fampitam-baovao ity. Ny “Ekipa solida” indray no nanomana sy nanentana ny litorjia tamin’ny 4 febroary 2024 teo. I Hervé no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Ny litorjian’ny alahady faha-5 mandavantaona (B) no nankalazaina tamin’io alahady io saingy nasiana fanamasinana jiro teo am-panombohana noho isika tsy afaka nanao izany niaraka ny 2 febroary teo...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra indray ! Môpera Pascal no nitarika ny lamesa ny alahady 28 janoary 2024 teo, niaraka tamin-dry môpera isany Barnabé, Faly, Joslin. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia, niaraka tamin'i P. Joslin teo amin'ny fitendrena zavamaneno. Isaorana isika tamin'ny fandraisantsika anjara isan-karazany tamin'ny fanatanterahana ny lamesa. Isaorana isika rehetra tonga niara-...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Nankalaza ny Alahadin'ny Tenin'And/tra isika (alahady faha-3 mandavantaona B) ny 21 janoary 2024 teo. Môpera Barnabé no nitarika ny sorona masina, notronin-dry môpera Faly, Joslin ary Pascal. Amin'ny maha-Alahadin'ny Tenin'Andriamanitra azy dia nasiana fihetsika miavaka kely : nasiana fitondrana ny tenin'Andriamanitra mialoha ny Vakiteny. Taorian'ny evanjely dia nisy...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Tontosa soa aman-tsara ny lamesa niarahana tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana ny alahady 14 janoary teo (omaly), koa isaorana fa maro isika no nanotrona an'i Kardinaly tamin'iny sorona masina notarihiny tany amin'ny Paroasy San Gregorio Barbarigo (Laurentina) iny. Ny Paroasy moa no tompon'ny fandaharana mivantana, noho izany dia natao tamin'ny teny italianina ny...(tohiny)
Faly miarahaba antsika rehetra indray sady mamerina ny fiarahabana tratry ny taona ! Tsiahivintsika kely ny niatrehantsika ny fifampiaraban'ny Ankohonana tratry ny taona 2024 ny alahady 7 janoary teo alohan'ny hanomezantsika fintim-baovao tsara ho fantatra sy ho antitraterina. Isaorana tamin'ny fiombonantsika rehetra tamin'ny fanomanana sy fiatrehana ny fety. Ny sabotsy 6 janoary tolakandro dia...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra tratry ny noely 2023 ! Vory niara-nankalaza ny alahady faha-4 amin’ny Fiaviana (B) isika ny 24 desambra 2023 teo. Môpera Faly no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’i môpera Joslin, izay sady teo amin’ny fitendrena zava-maneno. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia. Taorian’ny lamesa dia nisy fianarana sy famerenan-kira ho fankalazana ny noely 25 desambra...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Misaotra antsika rehetra tamin'ny fiarahana nivavaka ny 17 desambra 2023, tamin'ny alalan'ny sorona masin'ny alahady fahatelo amin'ny Fiaviana (B). Môpera Tsikivy Augustin (Spiritain) no nitarika ny lamesa, niaraka tamin'dry môpera Joslin sy Pascal. Ankasitrahana ny "Fraternità" tamin'ny fanomanana sy fanentanana ny litorjia, niaraka tamin'i Mr Sylvestre sy Max teo...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Andro niavaka ny alahady faharoa amin'ny Fiaviana ny 10 desambra 2023. Natokan'ny Ankohonana Rasoamanarivo nanaovana récollection mantsy ity andro ity. Natomboka tamin'ny fiaraha-mivavaka ny fotoana, avy eo niroso tamin'ny fampianarana sy fanentanana ho fiomanana amin'ny Noely nomen'i môpera Aimée. Nandritra ny sakafo nisy namana sasany nilazalaza fifampizarana kely...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra, Vita soa aman-tsara ny fanavaozana ny fanomezan-toky nataon'ireo MDMK nandritra ny sorona masina fankalazana manetriketrika an'i Masina Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka ny 8 desambra 2023. Môpera Faly, izay zoky am-panahin'izy ireo, no nitarika ny sorona masina, notronin-dry môpera Daudet, Joslin ary Pascal. Seba no teo amin'ny fandraharahana ny asan'ny...(tohiny)
Miarahaba antsika rehetra ! Misaotra antsika tonga niara-nivavaka tamin'iny alahady voalohany amin'ny Fiaviana iny - 3 desambra 2023 - sady nanombohantsika ny taona litorjika vaovao (B). P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin'i P. Jean de Dieu (avy any R. Calabria fa nandalo teto Roma). P. Joslin no nitendry ny zavamaneno ; ny "Saint Augustin" no nanomana sy nanentana ny litorjia...(tohiny)