Miarahaba antsika rehetra !
Ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” no nanentana ny litorjia ny alahady 11 mai 2025 teo ; P. Joslin sy Mr Silvestro kosa no teo amin’ny zavamaneno. P. Pascal no nitarika ny sorona masina, niaraka tamin’ireo pretra tonga tao : Fulgence, Barnabé, Eugène ary Joslin.
Misaotra ny “Fraternità” izay nanao ny fandiovana ny fiangonantsika taorian’ny lamesa tamin’io andro io. Anjaran’ny “Ekipa sôlida” indray ny mijery fotoana hanaovan’izy ireo izany ho an’ny volana jiona 2025. Momba ny litorjia indray dia anjaran’ny ELVIR ny manomana sy manentana amin’ny alahady 25 mai 2025.
Tsy misy lamesa any amin’ny Chiesa San Macuto-Bellarmino amin’ny alahady 18 mai 2025 izao. Hamonjy ny sorona masina amin’ny 10 ora maraina ao amin’ny Piazza San Pietro isika ; sorona masina ho fanombohan’ny Papa Léon XIV, Evekan’i Roma, ny ministera amin’ny maha dimbin’i Md Piera azy. Hisy hitondra “Saina” eny an-kianja ka tonga dia miditra ao anaty Piazza mijerijery ny “Saina malagasy” entin’izay efa tonga mialoha (jerijereo ihany ny WhatsApp hifandraisana rehefa misy “infos” ilaina na fifampitadiavana). Tsara raha mba miezaka miainga aloha satria mety tsy hifankahitana ny olona raha taratara. Tokony efa vonombonona miditra ny piazza amin’ny 7.30 maraina. Tsy ilàna “billets” ny fidirana ao amin’ny Piazza San Pietro.
Amin’io alahady 18 mai 2025 io ihany, saingy amin’ny 5 ora hariva, dia hisy ny fanaovana ny rôzery (rosario per la pace) any amin’ny Basilica di Santa Maria degli Angeli e dei Martiri, araka ny fanasana izay efa hitantsika ao amin’ny whatsApp Rasoamanarivo. Ny fiaraha-mivavaka dia karakarain’ireo “Cappellanie”n’ny firenena samihafa ao anatin’ny diosezin’i Roma, eo ambany fitarihan’i S. EM. ZA. Baldassare Card. Reina, Vikera jeneraly. Asaina noho izany isika Ankohonana malagasy, miaraka amin’ny “saina malagasy” ho famantarana (bandiera del Madagascar).
Fanamafisana : ampahafantarina antsika dieny izao fa hisy fihaonana amin’ireo evekantsika avy any Madagasikara amin’ny alahady 15 jiona 2025 izao. Andrasana handalo aty Roma daholo ireo eveka. Ny toerana hiarahantsika amin’izy ireo dia any amin’ny Collegio San Paolo (via di Torre Rossa, 40 – 00165). Lamesa, fiaraha-misakafo, korana no ho endriky ny fihaonantsika. Amin’ny 9:00 ny fahatongavanna any ary amin’ny 17:30 ny fodiantsika. Hosantarintsika amin’ny sorona masina izay hanomboka amin’ny 10:30 maraina ny fotoana.
Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !
P. Pascal, sj