ALAHADY 14/12/2025

Faly miarahaba antsika rehetra !

Nanao ny « récollection » fiomanana amin’ny Noely 2025 isika ny alahady 14 desambra teo. Sorona masina no nisantarana ny fotoana ; môpera Jean Chris, mpitarika ny récollection, no nitarika ny sorona masina ; niaraka taminy ry môpera Eugène, Rémi, Tsikivy, Toky ary Pascal. Ny “Fiombonan’ny Pretra sy Relijiozy » no nanomana sy nanentana ny litorjia. Prezidà Silvestro sy Mme Odile kosa no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Notohizana tamin’ny fampianarana ny fotoana avy eo, sakafo, vavaka ary nofaranana tamin’ny fifampizarana.

Isan’ny fanehoantsika ny fiomanana amin’ny Noely ihany koa ny fanaovantsika ny “presepe” ka isaorana ireo rehetra nanao sy nandravaka izany.

Anjaran’ny “Ekipa sôlida” indray ny manomana sy manentana ny litorjia amin’ny 21 desambra izao, alahady faha-4 amin’ny Fiaviana (A). 

Isaorana ny “Zanaky ny Diosezin’Ambanja” fa nanao ny fanadiovana ny fiangonantsika San Macuto-Bellarmino izy ireo (ho an’ity volana desambra ity).

Fanamafisana sy fampahatsiahivana :

Hamafisina hatrany ny hetsika noely hataontsika amin’ny alahady 28 desambra izao ; any amin’ny Collegio san Pietro, viale delle Mura Aurelie, 4, 00152, no hanaovantsika izany. Tiana hohamafisina eto ny filazana ny fandraisana anjara. Hahatsara kokoa ny fandaminana sy fikajiana ny fotoana ny hahalalana mialoha ny fandraisantsika anjara. Aza misalasala ny mampahafantatra olona iray ao amin’ny Birao ny fandraisanao na fandraisanareo anjara.

 Ny alahady 21 desambra aorian’ny sorona masina, ao am-piangonana, dia  hisy famerenana (répétition générale) an’ireo hetsika hatao amin’io andron’ny 28 desambra io ho an’ireo izay mila izany famerenana izany.

 

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra,

 

P. Pascal, sj.