FETY FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA 2026

Fampitam-baovao momba ny fifampiarahabana tratry ny taona

Alahady 11 janoary 2026

Hifamotoana ao amin’ny “Parrocchia Santa Maria di Nazareth” isika - Via Boccea, 590, 00166, Roma (zona Casalotti) – ny alahady 11 janoary izao. Sorona masina sy lanonana fifampiarahabantsika tratry ny taona vaovao 2026  no hataontsika amin’izany.

Ho tonga amin’ny 9:00 any an-toerana isika ; hanangona sy hanao ny “échanges de cadeaux” manomboka amin’ny 10:00. Amin’ny 12:00 ny sorona masina, ka ny “Fiombonan’ny Pretra sy Relijiozy” no hanentana izany. Sakafo sy fety no anohizana ny fotoana ka faranana amin’ny 17:00 mba hahafahantsika mandamina ny toerana nampiasaina. Mody isika  amin’ny 17:30.

Momba ny “cadeaux” : zavatra mety tsotra fa “souvenir” ; tokony ho eo amin’ny 5€, fa ny mihoatra tsy ferana. Entanina hanomana “cadeau” ny tsirairay fa hasiana anarana sy hangonina. Hiarahantsika mahita amin’io  fotoana io ny fomba hizaran’ny Ekipa mpikarakara ireo “cadeaux” ireo.

Samy hitondra karazan-tsakafo izay azontsika entina isika (laoka, zava-pisotro, voakazo, zavatra hafa toy ny sambosa, nem…). Samy hanolotra izay nentiny amin’ireo Tompon’andraikitry ny sakafo eny an-toerana isika mba handrindran’izy ireo ny fiaraha-misakafotsika. Marihina fa manomana vary (sy zavatra hafa) eny an-toerana ny Ankohonana ; tsy asiana vary noho izany ny sakafo entintsika.

Ahoana ny hahatongavana any an-toerana ?

Ho an’ireo izay hitondra fiara dia apetraho mazava fotsiny ny adiresin’ny toerana haleha dia mampiasa GPS na zavatra hafa.

Ho an’ireo mampiasa metro sy bus : azo raisina eo Cornelia ny Bus 904, dir. Bedeschi ; midina eo “Boccea / Casalotti”. Tsy lavitra avy eo ny paroasy handehanana.

Misaotra antsika rehetra,

 

P. Pascal, sj.