ALAHADY 15/06/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Tontosa ny alahady 15 jiona 2025 ny fihaonana tamin’ireo evekantsika avy any Madagasikara. Tany amin’ny Collegio San Paolo no nanaovana izany. Natomboka tamin’ny sorona masina ny fotoana ka ny Kardinaly Désiré Tsarahazana no nitarika izany. Avy eo dia notohizana tamin’ny fiarahana misakafo, narahin’ny tari-dresaka nataon’ireo eveka nialoha ny fifanakalozana sy fametraham-panontaniana.

Eto dia mamerina ny fisaorana antsika rehetra tamin’ny fiarahana nanamasaka ny fotoana toy ny fanentanana ny litorjia nataon’ny M.D.M.K. sy ny fandraisana anjara isankarazany tamin’ny endrika samihafa izay tsy ho voatanisako eto. Miombona hatrany amin’ireo eveka izay mbola ao anatin’ny famaraparanana ny Fivahinianana masina ataon’izy ireo isika.

Amin’ny alahady 22 jiona 2025 izao ndray dia anjaran’ny ELVIR ny manomana sy manentana ny litorjia. Amin’io fotoana io koa no hanehoantsika fisaorana sy fankasitrahana an’i Hanitra tamin’ny nitondrany ny Ankohonana tamin’ny naha-Presidente azy. 

Alahady 29 jiona 2025 : Ny “Fraternità” no hanomana sy hanentana ny litorjia. Mgr Donatien, evekan’Ambanja, no hitarika ny sorona masina.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

 

P. Pascal, sj