ALAHADY 06/04/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Môpera Pascal no nitarika ny sorona masina tamin’ny alahady 6 avrily 2025 teo ; niaraka nanolotra ny sorona masina taminy ry môpera Fulgence sy Eugène. Anjaran’ny “Ekipa sôlida” kosa no nanentana ny litorjia tamin’izany. Taorian’ny lamesa dia niroso tamin’ny fanomanana ny litorjian’ny herinandro masina ny Biraon’ny Ankohonana.

Amin’ny alahady 13 avrily 2025 izao, alahady sampankazo, dia anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” ny manomana sy manentana ny litorjia. Ny ELVIR kosa no hanao ny fandiovana ny fiangonana San Macuto-Bellarmino ho an’ity volana avrily 2025 ity.

Hiditra amin’ny herinandro masina isika amin’io herinandro ambony io ; manakaiky ny fankalazantsika ny paka. Indro àry atolotra antsika eto ny fifampizarantsika andraikitra amin’ny fankalazana ny “triduum pascal”, izay samy hanomboka amin’ny 6:30 hariva :

Alakamisy masina hariva : Pretra mitarika : P. Fulgence ; mpanentana : Pretra sy relijiozy ; vakiteny I : M.D.M.K. ; vakiteny II : ELVIR ; ranombavaka : Fraternità sy Ekipa sôlida

Zoma masina hariva : Pretra mitarika : P. Eugène ; mpanentana : M.D.M.K. ; vakiteny I : ELVIR ; vakiteny II : Fraternità ; ranombavaka : Ekipa sôlida sy relijiozy.

Sabotsy masina hariva (misy batemy) : Pretra mitarika : P. Pascal ; manentana : ELVIR ; vakiteny I : Fraternità ; vakiteny II : Ekipa sôlida ; vakiteny III : relijiozy ; vakiteny IV : M.D.M.K.

Alahady Paka : Pretra mitarika : P. Faly ; anjaran’ny M.D.M.K. ny litorjia.

Pasquetta” na “lundi de pâques” amin’ny 21 avrily 2025.  Andro fitsangatsangana araka ny mahazatra antsika. Mety maro ny mamolavola fandaharam-pitsangatsanganana ho antsika malagasy eto Roma sy ny manodidina amin’io andro io. Iray amin’izany ny fanasan’ireo malagasy monina any Subiaco. Maro noho izany ny sampanana azontsika aleha araka izay fahafahan’ny tsirairay avy. Ny Ankohonana Rasoamanarivo dia mikarakara “lundi de pâques” ho an’ireo izay eto Roma na tsy afaka handeha lavitra amin’io andro io nefa te-hiala voly. Eny amin’ny Faritry ny Monfortains eny Monte Mario no hanaovantsika izany. Hampahafantarina antsika tsy ho ela ny antsipiham-baovao tsara ho fantatra momba izany.

Mirary herinandro sambatra ho antsika rehetra !

P. Pascal, sj