P. Toky no nitarika ny sorona masina ny alahady 6 jolay 2025 ; niaraka taminy nanolotra izany ry môpera Barnabé sy Pascal. Ny “Ekipa sôlida” kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia ; Silvestro no teo amin’ny fitendrena zavamaneno. Taorian’ny sorona masina dia nisy fifampizarana fialana hetaheta.
Anjaran’ny “Fiombonan’ny pretra sy relijiozy” no manomana sy manentana ny litorjia amin’ny alahady 13 jolay 2025.
Nisy fanasana izay efa nolazaina tamintsika tao am-piangonana sy nalefa amintsika ao amin’ny whatsApp Ankohonana ihany koa : manasa antsika i Diakra Fabrice amin’ny fanamasinana azy ho pretra, izay hatao any Betafo (Antsirabe) amin’ny 24 aogositra 2025.
Mandritra ny volana aogositra 2025 dia hitsahatra ny lamesa isan’alahady ao amin’ny Chiesa san Macuto-Bellarmino ; ny alahady 7 septambra 2025 no miverina manomboka ny taona pastoraly vaovao 2025-2026 ao an-toerana indray isika. Fa alohan’izany, ny alahady 20 jolay 2025 no farany hamonjentsika lamesa ao satria ny alahady 27 jolay dia mivoaka ivelany isika.
Momba ny famaranana ny taona pastoraly 2024-2025, alahady 27 jolay 2025, dia handeha hitsangatsangana any amin’ny “Parco villa Carpegna” isika. Ao amin’ny Parrocchia San Pio V (Largo San Pio V, 3, 00165 Roma) no hanaovantsika ny lamesa hanombohana an’izany amin’ny 10:30 maraina. Aorian’izany dia handeha tongotra minitra vitsivitsy miala eo amin’ny Paroasy mihazo ny Parco itsangatsanganana isika. Mbola hisy an-tspiriham-baovao hampitaina momba izany.
Mirary soa antsika rehetra !
P. Pascal, sj