Miarahaba antsika rehetra !
P. Pascal no nitarika ny sorona masina ny alahady 4 mai 2025 teo, niaraka tamin’i P. Fulgence. Ny “Ekipa sôlida” no nanomana sy nanentana ny litorjia ; i Silvestro sy Hervé kosa no teo amin’ny fitendrena ny zavamaneno. Misaotra antsika rehetra tonga niaraka nivavaka.
Amin’ny alahady 11 mai 2025 dia anjaran’ny “Pretra sy Relijiozy” ny manomana sy manentana ny litorjia. Anjaran’ny “Fraternità” kosa ny mitady fotoana hanadiovan’izy ireo ny fiangonantsika, san Macuto-Bellarmino, ho an’ity volana mai 2025 ity.
Fanamafisana : ampahafantarina antsika dieny izao fa hisy fihaonana amin’ireo evekantsika avy any Madagasikara amin’ny alahady 15 jiona 2025 izao. Andrasana handalo aty Roma daholo ireo eveka. Ny toerana hiarahantsika amin’izy ireo dia any amin’ny Collegio San Paolo (via di Torre Rossa, 40 – 00165). Lamesa, fiaraha-misakafo, korana no ho endriky ny fihaonantsika. Hosantarintsika amin’ny sorona masina izay hanomboka amin’ny 10:30 maraina ny fotoana. Mbola homena antsika ny antsipirihany momba izany ho fanampim-baovao.
Amin’ny alahady 18 mai 2025 amin’ny 5 ora hariva dia hisy fiarahana manao rôzery ho an’ny fandriam-pahalemana (rosario per la pace) ao amin’ny “Basilica di Santa Maria degli Angeli e dei Martiri” (Piazza della Repubblica). Ny fiaraha-mivavaka dia karakarain’ireo “Cappellanie”n’ny firenena samihafa ao anatin’ny diosezin’i Roma, eo ambany fitarihan’i S. EM. ZA. Baldassare Card. Reina, Vikera jeneraly. Asaina noho izany isika Ankohonana malagasy, miaraka amin’ny “saina malagasy” ho famantarana (bandiera del Madagascar).
Mirary soa antsika rehetra,
P. Pascal, sj