ALAHADY 29/06/2025

Miarahaba antsika rehetra !

Nankalaza manetriketrika ny fetin'i Piera sy Paoly isika ny alahady 29 jiona 2025 teo. Mgr Jean Claude, evekan'i Miarinarivo, no nitarika ny sorona masina ; Mgr Donatien kosa, evekan'Ambanja, no nitondra ny fifampizarana ny Soratra masina tamin'ny alalan'ny toriteny. Pretra maromaro no tonga niaraka tamin'izy mirahalahy nanolotra ny sorona masina. Ny "Fraternità" no nanomana sy nanentana ny litorjia ; P. Joslin sy ny ekipany no teo amin'ny zavamaneno ; Francel mirahalahy kosa no nanao ny andraikitry ny mpiserivy

Taorian'ny sorona masina dia nisy ny fifampizaran-tsakafo maivana niarahan'ny rehetra. Rehefa vita izany dia niroso tamin'ny fihaonana manokana amin'i Mgr Donatien ny "Zanaky ny Diosezin'Ambanja". Tao amin'ny Chiesa San Macuto ihany no toerana nanaovan'izy ireo izany.

Amin'ny alahady 6 jiona 2025 dia anjaran'ny "Ekipa solida" no manomana sy manentana ny litorjia. Ny "Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy" kosa no hitady fotoana handiovan'izy ireo ny fiangonantsika san Macuto-Bellarmino ho an'ity volana jolay 2025 ity.

Mandritra ny volana aogositra 2025 dia tsy hisy ny lamesa ao amin'ny San Macuto-Bellarmino fa hiparitaka isika. Amin'ny alahady 27 jolay 2025 ny alahady farany hiarahantsika amin'ity taona pastoraly 2024-2025 ity. Amin'io alahady farany io, toy ny fanaontsika isan-taona, dia hivoaka isika, hanao fitsangatsanganana ialohavan'ny sorona masina. Any amin'ny Parco - Villa Carpegna no hanaovantsika izany fitsangatsanganana izany. Hatombontsika amin'ny sorona masina ny fotoana, amin'ny 10:30 maraina, ao amin'ny Parrocchia San Pio V (Largo San Pio V, 3, 00165 Roma). Mifanindry amin'ny lamesan'ny paroasy ny ora eritreretintsika ka nanome efitra hahafahantsika manao ny lamesa manokana ny paroasy. Vita ny lamesa dia mandeha tongotra minitra vitsivitsy miala eo amin'ny Fiangonana isika dia tonga eo amin'ny Parco villa Carpegna. 

Mirary soa antsika rehetra !

P. Pascal, sj