I mompera Joslin, sady nitendry ny vatamaroafitsoka, sy i mompera Germain no niaraka nanolotra ny Sorona Masina tamin'i aumônier. Ny Fiombonan'ny Pretra sy ny Relijiozy kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.
Nararaotina ny fiaraha-miala hetaheta taorian'ny Sorona Masina mba hiarahabana an'i Madame Meltine tratry ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany.
























