Alahady 12 janoary, nankalazan'i mompera Jaovelo ny faha-50 taona naha-pretra azy

 

Andro lehibe nankalazan'i mompera Jaovelo ny faha-50 taona naha-pretra azy androany ka notronin'ireo pretra maromaro sy i diakra Rémi izy nandritra ny Sorona Masina. Ny Fiombonan'ny Pretra sy Relijiozy no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Nanao famintinana izay 50 taona nanompoany ny Avo izay izy teny am-pamaranana.