Alahady 18 febroary, alahady voalohan'ny karemy nentanin'ny MDMK

 

I mompera Barnabé no nitarika ny Sorona Masina notronin'i mompera Joslin. Ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Nisy fialana hetaheta niaraka tamin'ny zoky raiamandreny, Dama Rakotondrasedo, taorian'ny lamesa satria mandalo eto Roma andro vitsivitsy izy sy ny zanany vavy ka tonga nitsidika ny Ankohonana.