Alahady 23 jona, alahady faha-12 mandavantaona, nentanin'ny ELVIR

 

Ny Sorona Masina dia notarihin'i aumônier ary nanotrona azy i mompera Barnabé sy mompera Joslin ary frera Fabrice, izay vao nohosorana ho diakra tamin'ny volana mey teo tany Messina. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Taorian'ny lamesa dia nifampizara ny hani-masaka tao ihany ny Ankohonana satria mbola nisy ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana ny tolakandro, izay tafiditra anatin'ny fankalazana ny fetin'ny Fahaleovantena. Hany ka nararaotina taorian'ny sakafo ny nianarana/namerenana ny fihetsika handravahana ny hira ho ataon'ny Tsantan'ny fiangonana protestanta.