Tsy tao amin'ny San Macuto no niaraka nanolotra ny Sorona Masina ny Ankohonana fa teny amin'ny Collegio San Pietro. I aumônier no nitarika izany, notronin-dr'i mompera Fulgence, Barnabé, Rémi, Toky ary Thierry. Ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia.
Rehefa nahazo vatsim-panahy ny mpiray ankohonana dia nifampizara tohan'aina indray kosa nialohan'ny niarahana nikorana.














