Alahady 28 mey, alahadin'ny Pentekôty nentanin'ny ELVIR

 

Sorona Masina notarihin'i mompera Fulgence Ratsimbazafy, provinsialin'ny zezoita any Madagasikara mandalo eto Roma ary notronin'i mompera Jocelyn Rabeson, izay ho provinsialy hisolo an'i mompera Fulgence atsy ho atsy, i aumônier, i mompera Faly, mompera Daudet ary mompera Hasimanana ary i diakra Simon. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia.