Alahady 29 septambra, nankalazan'ny Ankohonana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo mpiahy azy

 

Noho ny ankamaroantsika tsy eto an-tanàna rehefa volana aogositra dia tsy afaka mankalaza ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo mpiahy ny Ankohonana amin'io fotoana io mihitsy isika. Ka tamin'ity taona ity dia androany 29 septambra no nanatontosantsika izany.

I aumônier no nitarika ny Sorona Masina, notronin'ireo pretrantsika maro be eto Roma sy avy any ivelany. Ny Fikambanana Fraternità Malgascia no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Nandritra ny koranam-pianakaviana ny tolakandro no nanararaotana ihany koa niarahabana an'i Fr Dezy nankalaza ny faha-25 taona naha-relijiozy azy tamin'ity taona 2024 ity. Na dia tsy sitraky ny fony loatra ny hanaovana izany dia notampohana tao izy tamin'ny nanolorana azy mofomamy manokana.