Alahady 3 novambra, alahady faha-31 mandavantaona, nentanin'ny Zanaka Diosezy Ambanja

 

I mgr Donatien Randriamalala, evekan'Ambanja, no nitarika ny Sorona Masina, notronin'i aumônier, ry mompera Eugène, José, Gaëtan, Etienne, Augustin, Haja ary Thomas. Ny Zanaky ny Diosezin'Ambanja kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Taorian'izay dia nisy ihany koa ny famangiana ny fasan'i mompera Paul Louis, aumônier-ntsika voalohany teto, izay nodimandry tamin'ny 2007 ka milevina eny amin'ny eny amin'ny Cimitero del Verano.