Alahady 3 septambra, alahady faha-22 mandavantaona nentanin'ny vondrona Saint Augustin

 

Tonga an-tanàna misy havana ary dia nandalo niara-nanolotra Sorona Masina tamin'ny Ankohonana ny evekantsika roalahy. Ka i mgr Gabriel no nitarika ny Sorona Masina, notronin'i mgr Donatien sy ireo pretra vitsivitsy eto Roma sy ny manodidina. Ny vondrona Saint Augustin no nanomana sy nanentana ny litorjia.