Alahady 3 septambra, fanombohana ny taona pastoraly vaovao, nentanin'ny Vondrona Saint Augustin

 

Alahady faha-22 tsotra mandavan-taona nanombohana ihany koa ny taona pastoraly 2023/2024 ao amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo. Fa nanan-jara be ity alahady fanombohana ity satria sendra eveka roa lahy mandalo eto Roma isika ka tonga nanolotra ny Sorona Masina niaraka tamintsika, dia i Mgr Gabriel Randrianantenaina, evekan'i Tsiroanomandidy sy Mgr Donat Randriamalala, evekan' Ambanja, notronin'ny pretra 5 mirahalahy eto Roma. Ny Vondrona Saint Augustin no nanomana sy nanentana ny litorjia.