Alahady 4 febroary, faha-5 mandavan-taona, nentanin'ny Ekipa Solida

 

I aumônier no nitarika ny Sorona Masina ary nanotrona azy i mompera Joslin. Ny Ekipa Solida kosa no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Fa satria andavanandro ny 2 febroary fankalazana ny Fanolorana ny Tompo any an-tempoly sy ny Jiro Masina ka tsy nahafahantsika mamonjy lamesa noho ny asa aman-draharaha avy dia omaly alahady 4 febroary izany no nanamasinantsika ny Jiro Masina nialoha ny nanombohana ny Sorona Masina.