Alahady 7 janoary, nifampiarahaban'ny Ankohonana amin'ny taona vaovao

 

Teny amin'ny Fikambanana La Salette no nifamotoana ny Ankohonana hifampirary soa amin'izao taona vaovao izao.

Ny Sorona Masina notarihin'i mompera Etienne niaraka tamin'ireo pretrantsika maro, eto Roma sy ny manodidina, no nanombohantsika ny andro omaly alahady 7 janoary. Ary notohizana tamin'ny fifampizarana ny sakafo ho an'ny vatana sy ny koranam-pianakaviana mahazatra antsika izany.

Mirary fahasoavana sesehena ho an'ny rehetra !