I aumônier no nitarika ny Sorona Masina izay niarahany natolotra tamin-dry mompera José, Fulgence, Eugène ary Herman.
Ny komity kosa no nisolo vaika ny Fiombonan'ny Relijiozy izay tsy afaka nanatontosa ny anjarany tamin'ny litorjia tamin'ity volana ity.
Nandritra ny Sorona Masina koa no nandraisan'i Kelsie ny sakramentan'ny Batemy. Miarahaba azy tonga ho isan'ny zanak'Andriamanitra amin'ny lafiny rehetra, mandray tànana ny ray sy reny niteraka ary ny mpiantoka izay manana adidy lehibe amin'ny fitarihana azy amin'ny làlan'ny Finoana.