Natolotry ny Papa François an'i mgr Gustavo Bombin Espino androany 29 jiona, andro fankalazana manetriketrika an'i Md Piera sy Paoly, ny pallium, mariky ny maha-arseveka azy.
Tonga maro ny Ankohonana nanotrona izay fotoan-dehibe izany ka rehefa vita ny tao amin'ny bazilika dia niara-nirohotra nankeny amin'ny Residenza Canisio ny rehetra nandray tanàna azy sy niaraka nikorana taminy.







































































































































