Fankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, mpiahy ny Ankohonana

 

Androany alahady 11 oktobra no notontosaina teny amin'ny paroasy Santa Maria di Nazareta teny Casalotti ny fankazalana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, mpiahy ny Ankohonana.

I mgr Fabien Raharilamboniaina, mandalo eto Roma, mamonjy fivorian'ireo Filohan'ny Fikambanamben'ny Eveka maneran-tany, no nitarika ny Sorona Masina ary nanotrona azy ireo pretrantsika marobe. Ny Ekipa Solida no nanomana sy nanentana ny litorjia.