Fankalazana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo, mpiahy ny Ankohonana - Sorona Masina

 

Natao teto Roma,  faribohitra Ostiense, ny tontoloandron'ny alahady 29 septambra 2024 ny fankalazana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo mpiahy ny Ankohonana. 

Sorona Masina lehibe no nanombohana izany tao amin'ny paroasin'i Santa Marcella. Taorian'izany dia niara-nizotra ny rehetra nanohy ny fotoana tamin'ny fiarahana nizara fifaliana, sakafom-pianakaviana sy totorebika, tao amin'ny Fikambanan-dr'i mompera Missionari della Sacra Famiglia izay isaorana lehibe.