Nanonona ny voady mandrakizay hanolo-tena ho an'i Kristy i masera Félicité sy masera Adeline androany 2 jolay 2023, teny amin'ny eglizin'i San Tommaso da Villanova eny Castel Gandolfo. Miarahaba azy mirahavavy isika no mirary soa azy ireo hahaefa be amin'ny fanompoana ny eglizy sy ireo olona karakarain'izy ireo amin'ny maha-Suore Ospedaliere della Misericordia azy.








































































































































