Fotoam-bavaka iraisam-pinoana anatin'ny fankalazana ny Fahaleovantena

 

Notontosaina omaly alahady 23 jona 2024 tolakandro, tao amin'ny eglizin'i San Macuto eto Roma, ny fotoam-bavaka iraisam-pinoana ho fankalazana ny niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara ka niarahan'ireo teratany malagasy monina eto Roma, avy ao amin'ny fiangonana FJKM sy avy ao amin'ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, izay mandrafitra ny FFKM, ary ny solontenan'ny masoivohon'i Madagasikara eto Italia izay notarihin-dramatoa Mpiandraiki-dRaharaha.