Paka 2025

 

Nitsangana tamin'ny maty i Jesoa Mpamonjy antsika, aleloia !

Notarihan'i mompera Faly ny Sorona Masina manetriketrika, nanotrona azy ry mompera Fulgence, Augustin, Julien, i aumônier, ary ry diakra Rémi sy Fabrice. Ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia.

Taorian'ny lamesa no nanolotra fiarahana miala hetaheta i Elodie Gladys, nanamarihana ny fifalian'ny mpianakavy nandray azy ho zanaky ny Eglizy tamin'ny Sakramentan'ny Batemy noraisiny tato amin'ny Ankohonana omaly sabotsy.