Ny alahady 18 tolakandro, rehefa avy nanotrona ny fametrahana ny Papa eo amin'ny Fiketrahana Masina teny amin'ny Vatican, dia mbola namonjy ny Raozery momba ny Fandriampahalemana teny amin'ny bazilikan'i Santa Maria degli Angeli ny solontenan'ny Ankohonana vitsivitsy, niaraka tamin'ireo paroasy avy amin'ny firenena samihafa izay eo ambany fiadidian'ny Diosezin'i Roma.