Sorona Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fanomezam-boninahitra farany an'i masera Charline, trinitera.

 

Ny alahady 3 aogositra no niantsoan'ny Ray an'i masera Charline hody Aminy rehefa avy nisedra aretina nandritra ny fotoana lava dia lava.

Ny Sorona Masina fisaorana an' Andriamanitra sy hanomezam-boninahitra farany an'i masera dia natao teny amin'ny lasapelin-dr'i masera trinitera eto Roma ny talata 1 septambra ary ny alarobia 2 septambra izy no nalevina eny amin'ny fasan'ny Fikambanana eny Castelforte.

Mankahery indrindra ny fianakaviany, ny Fikambanana Trinitera indrindra ireo rahavaviny niara-niatrika taminy ny fotoana farany nialany tetý an-tany.

Ho tody soa eny Anilan'ny Rainy nanoloranao tena hotompoina nandritra ny 37 taona anie ianao masera. Misaotra tamin'ireny tsikitsikinao sy hatsaram-po nozarainao taminay ireny.