Zoma 8 desambra, Fetin'i Maria Virjiny notorontoronina tsy azon-keloka nentanin'ny MDMK

 

I mompera Faly no nitarika ny Sorona Masina ary nanotrona azy i mompera Daudet sy i aumônier. Ny MDMK no nanomana sy nanentana ny litorjia ary nandritra ity fankalazana an'i Maria notorontoronina tsy azon-keloka ity no nanavaozan'izy 5 mirahavavy ny Fanomezan-toky nataon'izy ireo tany am-piandohana.