27 Septembre ho an'i Victoire Rasoamanarivo - 27 Settembre per Victoire Rasoamanarivo

 

Ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Roma - “Ankohonana Victoire Rasoamanarivo” - dia faly manasa anareo hiombom-bavaka amin’ny Sorona Masina ho fankalazana ny fetin’ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo izay hatao ny alahady 27 septambra 2009 amin’ny 9 ora sy sasany maraina ao amin’ny Fiangonana san Macuto, via del Seminario, 120 (akaikin’ny Pantheon). 

Aorian’ny Sorona Masina dia hisy fiaraha-miala hetaheta ho mariky ny fiombonana sy ho fifampizarana hafaliana.

Mandritra ny Sorona Masina no hanaovantsika ny «Raki-dehibe» ho fanomanana ny fankalazana ny fanambaràna ho Olomasina an’i Victoire Rasoamanarivo olontsambatra mpiaro antsika. Ka manentana antsika ho tonga maro amin'io andro hifalian'ny rehetra io.
 
--------------------------------------

La Parrocchia Cattolica Malgascia di Roma - “Cappellania Victoire Rasoamanarivo” - vi invita con gioia a partecipare alla celebrazione eucaristica all’occasione della festa della Beata Victoire Rasoamanarivo, che si terrà la domenica 27 settembre 2009 alle ore 9.30 nella chiesa di san Macuto, via del Seminario, 120 (vicino al Pantheon). 

Dopo la Santa Messa, la parrocchia vi offrirà un rinfresco in segno di comunione e di condivisione della gioia.

Le offerte di questa celebrazione saranno destinate ai fondi per affrontare le spese della causa di canonizzazione della nostra beata Victoire Rasoamanarivo.  Vi invitiamo a partecipare in tanti a questa giornata di festa per tutti.