Akon'ny fankalazana ny 50 taona nahatongavan'ny misionera redamptorista tany Madagasikara.

 

Isaorana an'Andriamanitra ny faha-50 taona nahatongavan'ny Misionera Redamptorista (CssR) tany Madagasikara. Tao Pagani (Salerno) no natao ny fankalazana.

Nanomboka tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro ny resadresaka nampahafantarana ny Fikambanana sy ny iraka nataony tany amintsika nanomboka tany Diego ka nitatra tany Vohemar, Ampanefena sy hatrany Mandroseza ary Anjiro ka hatrany Vondrozo.

Nandray anjara fitenenana tao moa ireo efa voairaka tany nilaza ny zava-misy sy ny niainany ary nataony tany : Tournée, sekoly, dispansera… Nanararaotany nisaorana ireo mpanao soa izany ary mbola nanentanany ny hanamafisana izany indrindra rehefa izao ankinina amin’ny malagasy izao ny fanohizany ny iraka. Nanamafy izany fisaorana sy fanohanana ary fiaraha-miasa izany moa ny Solon-tenan’ny Masoivohontsika nandray fitenenana sady nisaotra manokana ireo misionera nahafoy tena nankany.

Notohizana tamin’ny ny Sorona Masina tao amin’ny Bazilikan’i Md Alphonse de Ligouri mpanorina ny Fikambanana ny fisaorana an’Andriamanitra. Notarihin’ny Mompera Provinsialy ny izany ary niarahana tamintsika Malagasy io tamin’ny Sabotsy 30 septambra 2017 teo. Naredona ny hira sy ny fihetsika litorjika satria tao ry Masera Vocationistes marobe am-polony maro izay misy mpanao voady androany 2 oktôbra (sady isaorana no arahabaina manokana), notronin’ny avy any Napoli indrindra ry Mompera Trinitera.

Ny avy aty Roma moa izahay fito mianadahy mianaka no nisolo tena antsika. Isaorana manokana ry Atoa Dama mivady antoky ny nahatontosan’ny dia sy ireo rehetra nitondra am-bavaka sy nahafoy tena na taty na tany an-toerana! Ankinintsika amin’Andriamaintra sy entina am-bavaka bebe kokoa ny tohin’ny iraka ataon-dry Mompera Redamptôrista any amintsika. « Tsy maka tahaka an’i Kristy hono fa manohy ny asany ! Tanany mamonjy ireo rehetra mila famonjena»

 

P. Athanase

____________

Ny sary sy horonana rehetra dia efa milahatra ato amin'ny : TAHIRINTSARY