Alahadin'ny Sampankazo sy Fijalian'ny Tompo

 

Nitarika ny Sorona Masina i mompera Mémé Romuald ary nanentana ny litorjia ny Vondrona Saint Augustin.

Ankoatra ny hira fisaorana nohaingoina dihy mirindra ka nandraisan'ny isam-bondrona anjara, dia natao tamin'ny fitenim-paritra ihany koa ny ranombavaka amin'ny maha-avy amin'ny lafy valon'i Madagasikara antsika rehetra miombona ao anatin'ny Ankohonana.