Alahady 22 desambra, fiomanana amin'ny Noely

Amin'ny alahady faha 22 desambra izao no atokan'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo manokana hiaraha-miomana amin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaterahan'i Kristy. Koa ao anatin'ny lamesa mandritra ny vavaka fifonana no handraisantsika ihany koa ny sakramentan'ny fampihavanana na ny konfesy ka toa izao ny fandaminana.
Rehefa vita ny hira fidirana sy ny fiarahabana apostolika ataon'ny pretra ka hiditra amin'ny hira fifonana dia mipetraka ny rehetra, ny pretra kosa mamonjy ny sacristie ka mandeha any tsirairay izay vonona ny hikonfesy. Mandritra izany dia manao hira fifonana maromaro mandrapahavitan'ny konfesin'ny rehetra.
Rehefa mahavita daholo dia miara-mitsangaka ka ataon'ny pretra ny vavaka famelan-keloka dia mitohy indray ny lamesa.
Misaotra sy manantena antsika ho tonga maro.