Alahady 29 oktobra : fetin'ny Ankohonana sady hametrahana ny aumônier vaovao amin'ny andraikiny.

 

DSC08270

 

Maromaro ny vaovaom-piangonana efa natsidiky ny aumônier vaovao any amin'ny seraserantsika any fa ity no tena tsy faralahin-javatra fa « vody hena hoe tsa minga aloha » : ny alahady 29 oktobra ho avy izao, amin'ny 12 ora antoandro dia tena fety lehibe ho antsika satria hankalazana ny faha10 taonan'ny Ankohonantsika V. Rasoamanarivo.

Ankoatr’izay dia ho avy hiaraka amintsika ny P. Directeur-ny Migrantes, Mompera PierPaolo miandraikitra ankohonan’ny kristianina vahiny toy ny antsika, ato amin’ny diosezin’i Roma sy ny manodidina.

Hanararaotra hanolotra amintsika ny aumônier vaovao izy amin'io sy hametraka azy amin’ny andraikiny. Voninahitra lehibe ho antsika izany ka anentanana ny fahatongavantsika marobe. Sady manana tombom-pitia amintsika Malagasy koa io Ray am-panahy io e !

Ny toerana moa dia eny amin’i Mompera Alain toy ny mahazatra ka isaorana azy manokana : Chiesa di Santa Maria della Visitazione, via Crispolti 142/144. Dia samy mivimbina ny tohan'aina sy zava-pisotro ifampizarantsika mianakavy amin'io.