Alahady fahadimy amin'ny volana janoary, nentanin'ny Fikambanana Fraternità Malgascia

 

Naredona sy nampientanentana ny litorjia notarihin'ny Fikambanana Fraternità Malgascia, izay nanolo-tena hanatontosa ny anjaran'izy ireo isaky ny alahady fahadimin'ny volana, ka natombok'izy ireo androany 29 janoary izany. I aumônier no nitondra ny Sorona Masina ary teny am-pamaranana dia nandray fitenenana nanazava fohifohy momba ny Fikambanana ny i Kada Ernest, filoha.