Alahady faharoa tsotra mandavan-taona nentanin'ny MDMK

 

Toy  ny isaky ny alahady fahatelo dia ny MDMK no nanentana androany 15 janoary 2022 ary i mompera Narindra no nitarika ny Sorona Masina.

Fa io ihany koa no fotoana nararaotin'ny Vondrona Saint Augustin nifampiarabana taom-baovao  ka teny amin'ny Paroasin'i Santi Cirillo e Metodio teny Dragoncello (Acilia) no nankalazany izany.
Natomboka tamin'ny Sorona Masina ny fotoana ka novakiana tamin'ny teny malagasy ny Vakiteny Masina faharoa araka  ny fangatahan' ny mpampandroso. Nasehon'ny vondrona tamin'ny alalan'ny dihy-vavaka ihany koa fa  tsy any amin'ny sakafo ihany no tena fety fa zava-dehibe ny fisaorana an''Andriamanitra amin'izao nahatratrarana taona vaovao izao.
Heni-kaja sy henim-boninahitra ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo manontolo satria tehaka mirefodrefotra no nasetrin'ny tompon-trano izany.

Ny sary sy horonantsary tamin'io fotoana teny Dragoncello io dia efa milahatra ao amin'ny vohikalan'ny Malagasy eto Italia :
https://malagasy.it/mg/content/korananny-vondrona-saint-augustin-et%C3%B...