Alakamisy Masina 2023

 

Ankoatry ny nanomezaNy ny VataNy sy ny RàNy ho sakafom-panahintsika dia ny tena Fitiavana no nampianarin'i Kristy antsika ny Alakamisy Masina.
Ary araka ny toritenin'ny pretra dia avy ao anatiny no iainantsika izany fiombonana amin'ny Eokaristia izany. Ka niainan'ny Ankohonana nandritra ny Evanjely ny fahatsiarovana ny nanasan'ny Tompo ny tongotr'ireo Apostoly 12 lahy.