Alatsinain'ny Paka teny Montecassino : fisaorana avy amin'ny aumônier.

 

Fisaorana sy fankatelemana no atolotro anareo Komity EKAR nikarakara ny Fitsangatsangana tamin'ny Alatsinain'ny Paka iny, faly sady afa-pò ny rehetra, ary zokin'ny afara iny no sady santatra am-bavarano.

Misaotra manokana an'andriamatoa isany Rado sy Britto ary Fanja, ary ramatoakely Carole sy ny Komity any Napoli isika, izay samy nikofokofoka mafy sy nisahirana be  nanomana izany efa hatry ny ela.
Isaorana be dia be koa ny Tompo nihaino ny vavaka natao vao maraina fa somary ratsy ilay andro raha ny tena marina.
Isaorana betsaka isika rehetra izay samy nandray anjara mavitrika, hatrany amin'ny fiaraha-mifaly, famindrana ireo seza sy fanadiovana
ny fitaovana mbamin'ny toerana, ny fitonoana hena, ny fandaminana ny kilalao isakarazany, ary ny mpilalao labaoly samihafa,
ireo mpaka sary, ireo nitafa sy nidinika, ireo avy lavitra, ireo mpamonjy Lamesa amam-pivavahana izay tsy maintsy hataontsika
lohalaharana sy fanombohana ny fotoana amin'ny sisa rehetra manaraka, fa antoky ny fahatoniana eo am-pialam-boly izany.
Tsy misy azoko ambara afa-tsy ny hoe: MISAOTRA, MISAOTRA, MISAOTRA ..... Tena faly e, na dia tsi'sy aza ny lavorary!

Homba anareo lalandava anie ny Tompo sy ny fiadanany ary ny fahasoavany, eny, hamindrany fò koa anie isika rehetra dia mba samy ho voavonjy, amin'izay dia tena fety be any an-danitra any indray andro any, rehefa tafaverina haka antsika am-boninahitra ny Tompo.

In Cristo! Benirina, mpanompon'ny Tompo
sy mpiandry nanankinany anareo.

 

Sary : ATO DAHOLO